Entrée | 1 Tanala very sampy |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 Tanala, very, sampy |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rabearivelo Jean-Joseph |
Texte complet |
6 Raha sendra misoka ny volana ambony, 7 Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony, 8 Ankaratra misento, ka tsy mba mitony, 9 Andringitra no ho avy hanony ny fony. 10 Irony domohina raha toa saraka ala, 11 Indrisy! misento. Indrisy! fa adala? 12 Manembona hono, fa lavi-malala - 13 Hanova no sisa, fa sampin-tanala. 14 Avia, ry vorona? Avia mba mikalo! 15 Alaotra nilaozana, tomany mpandalo; 16 Very tsiriry ka indrisy? mimalo? - 17 Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo. 18 Ory manjavona - Ankaratra izany? 19 Onena misento - Ankaratra ihany 20 Ny tsy anilan-tiana no tena tomany - 21 Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany. 22 Ora-midona no mety hampahatsiahy 23 Ozom-pitia mijoro hampanahy; 24 Toa aloka sisa, fa very fanahy? - 25 Tanala very sampy aho, ry lahy. 26 Samborina ve ny domohin'ny tena, 27 Samborina ho an-kafa, hanorisorena? 28 Indrisy! misento. Indrisy! mivena - 29 Izaho manan-kambo tsy resy resena. 30 Efa nisinda ilay kinta-nirina, 31 Efa niova fangirifiriana; 32 Orosan-tsy satry ny sento iniana? 33 Ovao ny famindra, ka 'ndeha miova tiana. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |